Malagasy - Niveau A2

RESERVER UN BILLET D’AVION PAR TELEPHONE / MAMANDRIKA TAPAKILAM- PIARAMANIDINA AN-TELEFONA

Un touriste Français appelle le service de réservation de la compagnie Tsaradia, pour réserver une place pour une personne, un aller et retour pour la date du 16 septembre 2020, destination Antananarivo-Morondava et Morondava-Antananarivo / Mpizahantany Frantsay iray miatso ny sampana famandrihan-toeran’ny kompania Tsaradia, fa hamandrika tapakilam-piaramanidina mandroso sy miverina ho an’olon-tokana ho an’ny daty faha 16 Septambra 2020, AntananarivoMorondava ary Morondava-Antananarivo.

A : Tsaradia, bonjour !/ Tsaradia, miarahaba tompoko !
B : Bonjour ! / Manao ahoana !
A : Que puis-je faire pour vous ?/ Inona no afaka anampiako anao ?
B : Je veux réserver un billet « aller et retour », destination Antananarivo-Morandava et Morondava- Antananarivo. / Mba saika amandrika tapakila « mandroso sy miverina », Antananarivo-Morondava sy Morondava-Antananarivo.
A: D’accord, pour quelle date s’il vous plaît ?/ Eny ary, rahoviana kay azafady ?
B : Pour la date du demain 16 septembre 2020, y a-t-il encore une place disponible ? / Hoan’ny datin’ny rahampitso faha 16 septambra 2020. Mbola misy toerana malalaka ve ?
A : Juste un instant s’il vous plaît, je vais faire une petite vérification. / Andraso kely vetivety hoe azafady indrindra, hanamarina zavatra kely aho.
Voilà. Vous êtes chanceux Monsieur, il n’y a qu’une seule place pour cette destination. / Indro eny. Tena tsara vintana ianao Ramose, tena toerana iray sisa tavela ato ho amin’io fandehanana io.
B: Ah! J’ai de la chance alors! Combien coûte-t-elle cette destination ? / Ay ! tsara vintana aho izany koa. Ohatrinona moa ny vidin’io fandehanana io?
A: Actuellement nous offrons un prix promotionnel jusqu’à la fin de ce mois avec une franchise bagage, et le coût de cette destination est de 700 000Ariary, pour un aller simple, donc vous payez 1 .400.000 Ariary pour la totalité. / Manolotra fihai
nam-bidy izay hatramin’ny faran’ity volana ity tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisian’ ny saran’entana, 700 000Ariary ny saran’io fandehanana io mandroso fotsiny, noho izany 1 .400.000 Ariary izany ny totalibeny.

B : D’accord ! Je vous passe les informations qui me concernent alors !/ Eny ary, omeko anao izao ary ny mombamomba ahy e !
A: Je vous écoute. / Mihaino anao ary aho.
B : Nom : X, Prénoms : X, Date et lieu de naissance : X. Passeport : X. Vous me suivez ? /Anarana : X. Fanampin’anarana : X. Ny daty sy toerana nahaterahako dia, ny pasipaoro : X. Vorainao ve ?
A : Effectivement, tout est noté mais pour éviter certaines erreurs, je relie les informations qui vous concernent : votre nom c’est bien : X, vos prénoms c’est : X, votre date et lieu de naissance c’est bien : et votre passeport c’est X./ Voaraiko tsara daholo izy teo fa mba ialana amin’ny mety ho fahadisoana dia averiko tononina aminao izao ny mombamomba anao : ny anaranao dia : X, ny fanampin’anaranao dia « X », ny toerana sy daty nahaterahanao dia
« X », ny pasipaoronao dia « X ».

B : Oui, tout à fait !/ Eny, izay indrindra.
A : Parfait, dernièrement, pouvez-vous me donner votre adresse e-mail pour que jepuisse confirmer votre réservation, mais aussi et surtout pour que je puisse vous envoyer les informations détaillées sur votre voyage. / Eny ary, farany, mba afaka omenao ahy ary ve izao ny adiresy mailakao ahafahako manamafy ny famandrihan-toeranao, fa ihany koa ahafahako mandefa aminao ireo tsara ho fantatra rehetra momba ny dianao.
B : D’accord, il n’y a pas de souci, mon adresse e-mail est………. / Eny ary, tsy misy olana ka, ny adiresy mailakako dia……
A: Merci, c’est noté. J’épelle votre adresse e-mail, c’est………. / Misaotra fa voray. Ho tononiko ny adiresy mailakao dia …….
B: Tout à fait!/ Izay indrindra!
A : Avez-vous d’autres questions Monsieur ?/ Mbola manana fanontaniana hafa ve ianao Ramose ?
B: Non merci!/ Tsia fa misaotra!
A : Parfait ! Merci pour votre appel et passez une excellente journée, au revoir ! / Eny ary ! Mankasitraka tamin’ny antsonao dia mirary tontolo andro mahafinaritra, veloma !
B : A vous aussi, au revoir !/ Ho anao koa, veloma !

7.Organiser un voyage en Malagasy (Leçon précédente)
(Next Lesson) RESERVER UN HEBERGEMENT / MAMANDRIKA TRANO HONENANA
Retour Malagasy – Niveau A2

Aucun commentaire

Les commentaires sont fermés.

Programme de cours