Un touriste français appelle la réception de l’hôtel Maeva à Morondava pour réserver une chambre. / Mpizahantany frantsay iray niantso ny fandraisan’olona ao amin’ny hotely Meva ao Morondava fa hamandrika hefitrano fatoriana.
A: Hôtel Maeva bonjour! / Hotely Maeva miarahaba tompoko o!
B : Bonjour! Je voudrais réserver une chambre pour la date du 16 septembre 2020. Est-ce qu’il y
a encore une chambre disponible ? / Manao ahoana tompoko ! Mba saika hamandrika hefitrano ho an’ny datin’ny faha 16 Septambra 2020 aho, mbola misy malalaka ve ?
A : Oui, plusieurs chambres sont encore libres. Nous avons deux types de chambres, la première chambre, c’est une chambre avec wifi, eau chaude et télévision, et la deuxième, une chambre sans wifi, et sans eau chaude. Et laquelle de ces deux chambres vous convient ? / Eny mbola misy maromaro mihitsy ato. Manana karazana hefitrano roa izahay, ny voalohany hefitrano misy wifi, misy rano mafana ary fahitalavitra, ny faharoa, sady tsy misy wifi no tsy misy rano mafana. Dia iza amin’ireo efitrano roa ireo no mety aminao ?
B : Je prends la première. Et combien coûte-t-elle la chambre ?/ Aleo ilay voalohany no ho raisiko. Ohatrinona moa ny saran’ny hefitrano iray?
A : C’est 100.000 Ariary par nuitée. / 100 000Ariary isan-kalina.
B : D’accord. / Eny ary.
A : Pouvez-vous me passez les informations qui vous concernent s’il vous plait ?/ Mba afaka omenao ahy ve ny mombamomba anao azafady ?
B : Tout à fait, les voici…… / Eny, indro ary………
A : Merci, c’est noté. / Misaotra fa voaray………
B : Et c’est comment votre mode de paiement ?/ Dia ahoana ny fomba fandoavam-bola ?
A : Comme vous avez passé un appel pour réserver une chambre, donc vous pouvez payer directement à la réception quand vous serez ici. / Satria ianao niatso an-telefonina hamandrika hefitrano dia afaka aloanao mivantana eto amin’ny fandraisan’olona amin’ny andro ahatongavanao aty.
A: Avez-vous d’autres questions Monsieur ?/ Mbola manana fanontaniana ve ianao ?
B: Je n’ai rien à ajouter merci beaucoup pour votre aimable réception, au revoir. / Tena tsy misy ampiako intsony fa misaotra indrindra tamin’ny fandraisanao fa nahafatra-po, veloma !
A : C’est moi qui vous remercie pour votre appel, au revoir et à bientôt !/ Izaho no misaotra anao tamin’ny antsonao, veloma mandram-pihaona.
Aucun commentaire